Natao tany Antsohihy, faritra Sofia, tamin’ity herinandro ity ny kongresim-patitry ny “Solidarité des normaliens en sciences de l’éducation de Madagascar – Sonose/Mada”. Niatrika izany ireo mpampianatra sy mpanabe maro avy amin’ny disitrika 7 mandrafitra ny faritra Sofia. Teo koa ny birao nasionaly notarihin’ny filohany, Croidys Armand. Nivoitra tamin’izany ny fiadiana ny tombontsoan’ny mpampianatra sy mpanabe, ny fanatsarana ny kalitao sy ny rafitry ny fampianarana araka ny fahitan’ny “normaliens” azy. Nangonina ny hevitra sy soso-kevitra nandritra ny kongresy ka hatolotra ny tomponandraikitra eto amin’ ny firenena izany. Nampahafantarina tamin’izany koa ny tanjona sy ny tombontsoan’ny mpikambana. Nanaraka izany ny fametrahana fanontaniana narahim-baliny teo amin’ny mpizaika sy ny mpitarika mba hialana amin’ny ahiahy. Nahafa-po ny rehetra ny fanazavana nomena azy ireo.
Tsiahivina fa efa ahitana ny mpikambana eo anivon’ny Sonose manerana ny Nosy. “Efa nanaovana ny kongresy ny faritra sasany raha mbola hatao kosa ny hafa, mialoha ny kongresy nasionaly», hoy ny fanazavan’ny filoha nasionaly. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’izany koa ireo mpandrindram-paritra roa lahy, hitarika ny Sonose Mada ao amin’ny faritra Sofia.
Synèse R.




