Hanolotra fampisehoana amin’ny vahoakan’Antananarivo i Makwa Joma, Malagasy mpanakanto avy any Betsimisaraka, ny 23 novambra izao, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mikasa hanolotra ny “Eto sy ankehitriny” ho an’ny mpankafy izy amin’io fotoana io, raha ny fanazavana. Ahitana sanganasa maro isan-karazany mandritra ny fampisehoana. Anisan’izany, ny fampiarahana ny dihy sy ny mozika ary ny « slam ». Mba hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpankafy, hanatrika io fotoana io.
Nankafy ny fanaovana ny tononkalo an-kira
Vehivavy mpanakanto, tanora avy ao amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka, i Makwa Joma. Nankafy sy nitia ny fanaovana tononkalo an-kira “poesie musicale” izy hatramin’ny fahazazany, raha ny fanazavana hatrany. Efa nijoro teo amin’ny tontolon’ny fanaovana “slam” teto Madagasikara izy nanomboka teo amin’ny faha-14 taonany. Niezaka sy nikaroka ny hampiavaka azy mba hisondrotany amin’ny avo kokoa hatrany eo amin’io sehatra iray io. Vokany, nisongadina tamin’ny alalan’ny fomba fanaony sy ny tononkirany izy nanomboka teo. Anisan’ny nampiavaka azy sy nankafizan’ny olona azy izany.
Ankoatra ny mozika sy ny slam izay ataony. Mameno sy mampivoatra ary mandravaka ny fitiavany ny zavakanto ny dihy, raha ny fanazavana hatrany.
Mino