Fen’antitra…

 

Tena mahavery tanteraka any anatin’ny famakafakana ilay fivoaran’ny raharaham-pirenena, eto Madagasi­kara. Tampoka teo, nivoaka ny maha vazaha ny kandidà sasany no voasambotra izy. Tsy misy mahalala izay tsiambaratelon’ny famotorana azy any fa mahavarina ny zava-niseho. Iretsy kandidà namana izay mbola milaza ihany koa fa manohy ny tolona ary mitaky ny famoahana azy.
Asa, iza indray no manaraka, raha ny fantatra mantsy, misy ihany no manana zom-pirenena roa amin’iretsy kandidà manohitra fifidianana, tsy tia vazaha iretsy. Mpitari-bato vilam-bava toa mandrebireby ny sain’ilay vahoaka tena miraiki-po amin’izy ireo. Tena babo anie izany! Resy lahatra fa tsy mila vazaha kanefa lalaovin’ny vazaha. Manahirana be…!
Mazava anefa ny fitsipi-dalao fa handeha ny fifidianana, afaka 10 andro. Iza no afaka hitompo teny fantatra fa ahasakana izany. Ny vazaha izay hilampilampin’ny kandidà 10 mirahalahy ireny efa milaza mazava ny toerana misy azy ireo. Fifidianana demokratika ihany, ka handefa mpanara-maso izy ireo. Ahoana tokoa no hidiran’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, hanakana fifidianana? Mibaribary loatra ny tahotra, andaniny. Ny fitiavan-tseza, ankilany. Rehefa hita fa tsy ho mpandresy amin’ny fifidianana sitrany ahay minisitera.
Tsy mahagaga izany fa efa fomba fiady mahazatra, ho an’ny mpanao politika malagasy. Tsy vitan’ny tsy misy olom-baovao fa mpanao kopaka hisasahana lava. Mifamadibadika avy eo mifamela heloka, miafara amin’ny fizarana toerana dia miara-manao tantely afa-drakotra izay azo harapaka.
Mazava be ny fizotry ny toe-draharaha. Hihena an-toerana toa fen’antitra ireo mpitarika ny kandidà 10. Ny iraika lahy iny voasambotra. Mbola misy ny anarana voantonontonona fa sady mahay atsy no milomano aroa noho ny resa-bola.

r.r

Partager sur: