Afaka misitraka sy mahafantatra ny karazana saripika sy ny fanontana ireo sary fahiny ny mpitsidika mandritra ny iray volana.
Hotontosaina ny 8 ka hatramin’ny 30 novambra 2023 izao ny «Festival Sar’Nao», na iray volan’ny saripika. Hetsika karakarain’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) izy ity, ary ao ihany koa no hanaovana ny ankamaroan’ny fampirantiana. Hasongadina mandritra ny iray volana ny maha zava-dehibe ny zavakanto amin’ny alalan’ny sary. Haompana amin’ny «saripika amin’ny chlorophylle» na sary amin’ny ravinkazo ny hetsika amin’ity, izay nampahafantarina omaly, teny Andavamamba.
Manana hirika fanararaotra hamantatra sy hijery ny teknika fanontana sary tranainy ny olona mpankafy sary amin’io fotoana io, raha ny fanazavana. Anisan’izany, ny «anthotype» sy ny «photogramme». Tsy manam-paharoa ireo teknika ireo satria afaka manolotra ny fivoaran’ny sary sy mitondra fivoarana goavana ary mampiseho ny fahaiza-mamorona sy ny faharanitan-tsain’ny mpanakanto.
Maro ny fandaharam-potoana hotanterahina eny an-toerana mandritra ny iray volan’ny hetsika. Afaka mandray anjara amin’ny tontolon’ny sary sy ny fanangonana izany ary ny toe-tsaina enti-mikaroka izany, ny mpitsidika mandritra izany. Ankoatra izay, misy ihany koa ny valandresaka ataon-dRatrimoarivony Tefy, ho an’ny mpandray anjara sy ny mpitsidika rehetra amin’ny 13 Novambra hoavy izao, raha ny fanazavana hatrany. Hiompana amin’ny «l’enjeu des cybersécurités au quotidien» ny lohahevitra hodinihina amin’izany. Hisy ihany koa ny atrikasa fampiharana, tarihin’i Tahiana Raolona, talen’ny teknolojian’ny media ny 14 novambra izao. Ampitondrainy ny lohahevitra hoe «Marketing Digital». Hanomezana toro-hevitra sy paikady azo ampiharina hampahomby ny tontolon’ny varotra amin’ny alalan’ny tambazotra an-tserasera.
Mino