Manandratra ny beko : manohy ny lalany ny tarika Ndaty Lahy

Hizara ny kolontsaina avy any atsimo, ao anaty mozika. Tetikasa efa natomboka ela, ary malalaka ny lalana ho an’ny tarika Ndaty Lahy. Naka bahana an-taonany maro, mba hampahafantatra sy hivoy ny beko avy any atsimo, ho an’ny Malagasy rehetra sy ho an’ny mpankafy mozika manerana izao tontolo izao ry Anthony sy ny tariny. Nandalo dingana maro ary nihanika tsimoramora, nampahafantatra ny sanganasany ry zalahy, ary mbola ao anatin’izany amin’izao fotoana izao. Hiverina kely etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka indray ny tarika Ndaty Lahy, ny alarobia 22 novambra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fotoana iray hihaonana, hizarana ny mozika beko maoderina araka ny fanaovan’ny tarika azy io, raha ny fanazavan’i Tiana, mpitendry gitara beson’ny tarika.
Avy ao Betioky i Anthony. Nitaiza azy ny beko, ary mbola kely dia nilomano tao anatin’ny mozika sy nianatra zavamaneno izy. Nanana fironana tamin’ny angorodao sy ny gitara ity mpanakanto ity, ka nifototra tamin’ireo ny mozikany. Nivoaka amin’ny zava-misy niainany tany atsimo kosa ny tononkira, izay mi­velatra amina lohahevitra maro.
Nosafidiana tanatin’ny maro, hisolontena ny mozika malagasy tany amin’ny Lalaon’ny Frankôfônia farany teo, tany Kinshasa, ny Ndaty Lahy. Nanokatra ny lalana eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ho azy ireo izany, satria izay fitetezam-pirenena izay no tanjona lavitra ezaka. Hamoaka rakitsary sy rakikira tsy ho ela izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: