Fahaizana mitendry piano: raikitra ny fifaninanana « Cnapmada »

« Concours national de pia­no à Madagascar » na « Cnapmada ». Fifaninanana fahaiza-mitendry piano, ny 3 avrily ka hatramin’ny 5 avrily 2024. Afaka mandray anjara ireo mpitendry piano latsaky ny 26 taona. Sokajiana ho roa izy ireo. Sokajy voaloha­ny misafidy amin’ny: « Inter­mez­zo op119 N°2 » (Brahms), na ny « Malagueña » (Lecuona), na ny « Prélude en forme de Nocturne, extrait de la Suite Brève en Do » (Julien-F. Zbinden ». Ho an’ny famaranana, misafidy amin’ny sanganasan’i J.S. Bach « Concerto Italien BWV 971 , 1er et 2éme mouvement » na ny an’i De­bussy, « Prélude de la Suite bergamasque », na ny an’i Franz Liszt, « Au bord d’une Source (1ère année de Pèlerinage en Suisse) ».
Sokajy faharoa, misafidy amin’ny sanganasan’i Albeniz « El Puerto » na ny an’i Fauré « 3eme barcarolle op42 en Sol b Majeur » na ny an’i Béla Bartók « Allegro Barbaro ». Amin’ny famaranana kosa ny iray amin’ireto : « Paraphrase sur “Aquarela do Brasil” » an’i Kapustin. « Rapsodie op79 n°1 » an’i Brahms na ny « Waldstein Sonata Op. 53 (1er Mouvement) » an’i Beet­ho­ven.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: