Tontosa ny hetsika nasionaly « Design For Change » (DFC) sy ny fizarana loka ho an’ireo tetikasan’ny ankizy mendrika indrindra ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny Cnaps Vontovorona.
Tetikasa miisa 180 no nifaninana: 133 isa avy amin’ny sekoly miankina ary 61 isa avy amin’ny fikambanana eo anivon’ny faritra Analamanga, Itasy, Vatovavy, Diana ary Atsinanana.
Sekoly valo no voafidy ho mendrika indrindra. Anisan’ izany ny CEG Imerintsiatosika, ny EPP Ambanitsena sy ny EPP Ambodiafontsy ary ny EPP Ambalamanasy. Ity farany no nahazo ny « Prix d’encouragement » tamin’ny alalan’ny tetikasa « Jardin scolaire », fambolena anana.
Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Association Zazakely Sambatra ary ny foibem-pitondrana misahana ny Fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena (DEMC) no misahana izany.
Tambajotra iraisam-pirenena manambatra ny tanora sy ny ankizy ary manetsika azy ireo hanatanteraka asa hitondra fiovana amin’ny toe-tsaina « Za mahavita » ny DFS. Firenena 60 ankehitiriny no mampihatra azy ary nitondra tetikasa vaovao hampivoatra ny tontolo miisa 31 000. Entanina ny mpianatra any an-dakilasy hikajy ny tontolo iainana sy hitondra tetikasa azo tanterahina.
Vonjy




