Hetsika mamondrona ny mpiagaly Slam sy hatsikana ary Rap ny “Slumourap”. Ireo vao misandratra eo amin’ireo haikanto ireo no tena mahazo tombony amin’ity hetsika ity. Misy ihany koa anefa ny fizarana ataon’ireo efa kalaza eny antsefatsefany eny.
Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny dingana fifanitsanana amin’ny “Slumourap”. Hetsika iarahan’ny fikambanana maro samihafa mikarakara, anisan’izany ireo fikambanana ivondronan’ny mpanao hatsikana, miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Fifaninanana hatsikana sy Slam ary Rap no ho hita eny an-toerana. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo vao misandratra amin’ireo kaikanto ireo. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ireto haikanto ireto.
Hetsika izay maro mpankafy, indrindra ireo tanora mpiangaly ny haikanto an-dalambe ny “Slumourap”. Raha ny fizotry ny fifaninanana, mitondra feonkira atao lafika ireo mpifaninana, miantsa ny lahatsoratra nomaniny miaraka amin’ilay feo lafika. Araka izany, Rap ilay atao saingy lahatsoratra Slam sy fepetrana hatsikana no hanaovana azy. Izay folo tsara naoty indrindra no hiakatra amin’ny dingan’ny famaranana, izay hatao eny amin’ny Madagascar Underground, ny sabotsy 25 novambra 2023.
Andaniny, sehatra iray hanandratana sy hitrandrahana talenta vaovao ny “Slumourap”. Etsy ankilan’izay kosa, maro ireo mpiangaly Slam sy Hatsikana ary Rap vao misandratra no mandray anjara amin’ny hetsika. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, maro ireo mpahay kanto kalaza no nahita tombontsoa tamin’ny hetsika.
Anton’ny hetsika ny firaisana vina eo amina vondrona sy fikambanana isan-karazany, amin’ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina ny vondrona. Anisan’izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC.
Lin




