Madagascourt Film Festival : handray anjara amin’ny hetsika ireo vahiny

Nitombo hatrany ireo ma­nam-pahaizana sy andrare­zin’ny horonantsarimihetsika handray anjara amin’ny Ma­dagascourt Film Festival, andiany faha 18. Teratany vahiny telo, samy manana ny mampiavaka azy, ary sangany eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny hi­tondra ny traikefany sy fahaiza-manaony, ao anatin’ity andiany faha 18, atao ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antana­narivo sy Mahajanga, ity. Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika ny hampiakatra ny lenta sy lanjan’ny horonantsarimihetsika eto Madagasikara, sy hanome sehatra ireo vao misandratra amin’ity tontolo ity.
Ho avy eto Madagasikara i Lucile Canault, Virginie Giachino ary Yvan Zuber. Izy ireo no hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony avy, ao anatin’ny atrikasa mandritra ity hetsika lehibe, atao eto Madagasikara, ity. Raha tsiahivina, samy manana ny mam­piavaka azy izy ireo. Raha i Lucile Canault, tomponandraikitry ny famokarana sy fifantenana ary fandefasana horonantsary fanentanana ao amin’ny “France Télévisions” izy. Mpamorona ny orinasa mpamokatra horonantsary “Doncvoilà productions” kosa i Virginie Giachino, raha sahala amin’izay ihany koa i Yvan Zuber, saingy mampiavaka azy ny maha mpikambana azy eo anivon’ny “Académie Fran­co-Allemande du Cinéma”.

Lin

Partager sur: