Badminton – Mada 2023 : hizara roa ny fifaninanam-pirenena

Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny olana eo amin’ny fahazoana ny kianja mitafo, hozaraina roa ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton. Hisantatra izany, ny an’ireo sokajy zandriny dia ny “junior” midina. Hotontosaina ny volana novambra izany. Any amin’ny volana desambra indray ny an’ireo sokajy “senior” lahy sy vavy.
Anisan’ny olana ihany koa ny tsy fisian’ireo tsipika mamaritra ny kianja ilalaovana.
Hanana ny lanjany izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany satria hanasokajiana ny filaharan’ireo mpilalao isanisany. Ireo fihaonana indroa miantaona ireo ihany koa ny mamarana ny taom-pilalaovana 2023, ho an’ny federasiona. Tanjona ho an’ny badminton, amin’ny taona 2024, ny hitady tapakila hiatrehana ny lalao Olympika, tanterahina any Frantsa. Ezaka goavana mbola miandry ny Fede­rasiona malagasy izany, ka hangatahiny fiaraha-miasa amin’ ny minisitera.

Tompondaka

Partager sur: