Zo sy adidy ny mandeha mifidy ! Mbola manana ny anio izay misalasala handeha handatsa-bato. « Ny alina mitondra fisainana », hoy ny Ntaolo malagasy koa meteza hihaino ny feon’ny fieritreretana. Aza hadinoina fa io rahampitso io no hamaritra ny hoavin’ny Malagasy tsivakivolo ao anatin’ny dimy taona manaraka. Tsy ho an’ny taninjanaka ihany, fa ho an’ny isan-tokantrano mihitsy.
Zava-dehibe ny fahafahana maneho safidy satria ny voafonja tsy mbola voatsara aza nampidirina anaty lisi-pifidianana. Dia ho ambakan’izany ve isika ety « ambonin’ny tany », mahita mazava ? Tsy an-tery ny mandeha mifidy saingy sao hanenenana. Iaraha-mahalala fa na inona na inona zava-miseho, tsy voasakana ny zotram-pifidianana. Ora sisa no isaina!
Raha ny fikarakarana dia efa tomombana avokoa ho an’ny Vaomiera manokana miandraikitra ny fifidianana. Efa mipetrapetraka ny lamina sy ny fitaovana. Isika olom-pirenena nomena ny herijika hisafidy izay olona tiantsika indray ve no handraraka ilo mby an-doha ? Sanatria isika nomen-tsira no hilaza fa tsy mahay mahandro ? Tongava manao rodobe eny amin’ny birao fandatsaham-bato misy antsika tsirairay avy.
Indray mandeha tsy miverina ny fifidianana raha mahazo ny antsasa-manila ny kandidà iray. Manana anjara fanindroany kosa raha tahiny misy ny fihodinana faharoa. Raha ny zava-misy ankehitriny, raha tsy mahay manararaotra isika dia mety tsy hanambintana mihitsy ny handray anjara. Inona re no manakana ?
Tongava mifidy fa mahaiza misafidy. Tsy mitovy velively ny mandray anjara sy ny mihalangalana. Ny nenina rahateo tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa. Sao hifanome tsiny rahatrizay misy ny tsy fihetezan-draha.
r.r