Notanterahina, omaly, teny Ankorondrano, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny « Cart’in », vokatra vaovaon’ny orinasa Manoova. « Efa miaina tanteraka miaraka amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ankehitriny. Izany indrindra no hanaovana famokarana isan-karazany, ho fampidirana ny Malagasy ao anatin’izany zava-misy iainan’izao tontolo izao izany », hoy Rajaonarivelo Rado, talen’ny Manoova.
Nitombo indray ny vokatra entina manampy ny mpiara-belona. Taorian’ny « Moozik », izay fomba iray ara-kajy mirindra, nanomezana sehatra ny Malagasy mpihira, tonga indray ny « Cart’in ». Ho an’ny « Moozik », ao anaty vanim-potoana andrana ny tetikasa amin’izao, ary olona manodidina ny 500 no anaovana izany fanandramana izany.
Raha ho an’ny « Cart’in », izay sehatra iray an-jotra, ahafahana mividy entana izay amidin’ny Amazones. Manomboka ny 22 novambra 2023 izy ity no ho azon’ny rehetra ampiasaina. Fiaraha-miasan’ny orinasa Amazones amin’ny orinasa Manoova no nahatanterahan’izao tetikasa izao.
Lin