Aingam-panahy sy famoronana : misy talenta mifoha isaky ny vanim-potoana

« Ny zava-misy no fandrisika voajanahary ho an’ny aingam-panahy », hoy i Zo Mami­nirina, poeta sady mpanoratra. Isaky ny mandia vanim-potoana iray ny talenta, misy mipoitra hatrany. Rehefa mety ho asa famoronana, ahitana azy io avokoa. Lehibe indrindra amin’izany ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mafampa­na, ohatra, ny tontolo politika. Misy poeta na mpanoratra avoakan’io vanim-potoana io. Tahaka izany koa ny sary na tantara an-tsary na sary hosodoko, sns. Fohazin’ny zava-misy ny talenta.
Ny vanim-potoana lalovana ihany koa no ipoiran’ny tanora miditra anaty famoronana. Tanora 15 taona no ho miakatra, manoratra tononkalo « mivaivay », mitsikera na mandoka ireo « mpilalao politika » sy ny zavatra ataony. Tahaka izany koa, tanora mpanao sariitatra, manatsikafona ankolaka na mivantana ny zavatra iainany ao anatin’ny vanim-potoana iray.
Ny talenta mifoha fa misy koa ny teraky ny saina

Eo amin’ny tontolon’ny so­ratra ny isongadinan’ity tranga iray ity. Mifoha avy amin’ny zava-misy iainana ny talenta. Fa ny mpanoratra na ny poeta, afaka maneho haisoratra teraky ny saina. « Tena mandrafitra mihitsy ilay mpanoratra mba ho lasa zavakanto ny sanganasany », hoy i Zo Maminirina. Izany hoe, mifoha noho ny zava-misy ny talenta, fa ny saina kosa no manangana izany ho zavakanto.
Raha io fanadihadiana io no iaingana, tokony hitombo isa isaky ny vanim-potoana « mivaivay na misongadina » ny mpamorona !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: