Tsipy kanetibe – PPF 2024: hiatrika ny famaranana lehibe i Lahatra sy Ra-Chre

Na mbola ao anatin’ny sazy aza ny federasiona sport-boule malagasy (FSBM), misy mpilalao mitondra ny lazan’i Madagasikara any Frantsa. Fantatra mantsy fa hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny PPF 2024 i Lahatra sy Ra-Chre.

Taorian’ny fahavitan’ny taom-pilalaovana 2023, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe “Passion Pétanque Française 2024” (PPF), ny sa­botsy lasa teo, ny federasiona frantsay. Fifaninanana hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 febroary ho avy izao, ao amin’ny kianja Pietrosella. Anisan’ireo hiatrika izany, ireo Malagasy mirahalahy, Andrian­tseheno Christian (Ra-Chre) sy Randriamanantany Lahatra. Hifaninana amin’izany ireo mpilalao 66 manana isa tsara indrindra nandritra ny dingana 14 notanterahina ta­min’ity taona ity.
Tsiahivina fa laharana faha-24 Ra-Chre, nahazo isa 20. Izy izay efa nandrombaka ny amboaran’i Eoropa, tamin’ity. Faha-43 kosa i Lahatra manana isa 14. Marihina fa samy mpilalaon’ny Club Pétan­que Bron Terraillon (Rhône), avokoa izy mirahalahy ireo.
Araka ny lalànan’ity PPF ity, mifidy izay mpilalao hiaraka aminy ireo mpilalao 10 voalohany. Ankoatra izay, tombony ho azy ireo koa ny fizarana ny lelavola 8000 Euros. Nandritra iny taom-pilalaovana iny, mitana ny laharana voalohany i Dylan Rocher avy amin’ny Frejus International Petanque, nahazo isa 46. Indroa izy no nandrombaka ny amboara ta­min’ireo dingana 14 natrehiny, dia ny tao amin’ny Draguignan sy ny tao Ajaccio.
Mitana ny laharana faharoa i Stephane Robineau, isa 44 ary ny fahatelo i Sebastien Rousseau, nahazo isa 40. Any amin’ny faha-9 ilay Ita­liani­na, i Diego Rizzi, nahazo isa 26. Marihina fa lalao ho an’olon-telo miaraka ity fifaninanana ity. Andrasana, araka izany, ny ho firafitry ny ekipa hiaraka amin’izy mirahalahy.

Tompondaka

Partager sur: