Tenisy sokajy vehivavy: misongadina i Madagasikara

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana “simple”, ao anatin’ny fifaninanana ITF Juniors, natao tany Came­roun, izy.
Norombahin’i Voavian­draina Harena sy Macy Denney Richards, vehivavy britanika mpilalao tenisy ny amboaran’ny lalaon’olon-droa “doubles”, izay notontosaina tany Kenya. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Mada 2023”, Antananarivo. Hotontosaina eny amin’ny Club Olympique de Tanana­rive, Ankadikely Ilafy, izany. Marihina fa afaka mandray anjara avokoa ireo sokajy rehetra “1ère – 4ème Série”, lahy sy vavy ary ny vétérans. Izay voahosotra ho tompondaka amin’ity no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akomba.

Fitia Randria

Partager sur: