Fanabeazana: mitaky fitandremana ny famoronana angano

Firenena anisan’ny manana angano maro i Madagasikara. Tsy manakana ireo mpamorona anefa izany. Misy ny angano vaovao. Mifanentana amin’ny fototra maha Malagasy ve izy ireny?

Variana amin’ny sarimiaina ny ankizy. Vitsy ny boky mirakitra angano vaovao no tafavoaka noho ny halafosan’ny fanontana. Vitsy rahateo ny ankizy no tia mamaky boky. Ampahany amin’ny olana mianjady amin’ny angano noforonina taty aoriana io. Nomarihin’i Arikaomsa Randria, mpanoratra sy mpitantara angano fa “tsy mitovy ny seha-pamoronana teo aloha sy ny ankehitriny”. Ny teo aloha, tena niaina tao anatin’ny natiora fa ny ankehitriny, tsy mahafantatra izany natiora izany loatra. Raha milaza momba ny vorona vano, ohatra, ny angano vao noforonina taty aoriana, mety ho sarotra amin’ny zaza miaina ankehitriny ny mahafantatra io vorona io satria efa vitsy ny vano. Olana lehibe hafa ihany koa io.
Fahiny, tsy nisy ny sambondanitra. Tsy nisy ny fiarakodia, ny ordinatera, sns, kanefa hita ao anatin’ireo angano noforonina taty aoriana ireo. Amin’ny lafiny iray, mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny ilay angano. Amin’ny lafiny faharoa, mihataka amin’ny seha-pamoronana ny angano ny tranga tahaka izany. Tsy tazana ao intsony ny hery sy hasina ananan’ireo zavaboahary, kanefa, io no manana ny lanja lehibe indrindra amin’ny angano malagasy.

Mihen-danja tsikelikely ny fitaizana sy fanabeazana
Fitaizana ny taranaka ny angano. Fitantarana hoenti-mampieritreritra, mampisaina, mampandinika ny fiainana iray manontolo. Fitantarana manome lanja sy hasina ny aina sy ny zavaboahary. Mihen-danja tsikelikely anefa izany. Nihen-danja nanaraka izany koa ny fitaizan’ny Malagasy ny zanany. Tsy afa-mandinika zava-dalina intsony. Mpihinana amam-bolony. Tsy mahay manaja sy mitia ireo zavaboahary manodidina azy. Tsy mahagaga raha manana tanora tsy misy fototra mafy
amin’ny maha Malagasy azy i Madagasikara. Tanora manana fahalalana mitsingevana, satria, indramina avy atsy sy avy aroa izy ireny.

… Zary tandindonin-doza ny tontolon’ny fitaizana sy ny fanabeazana ho an’ny Malagasy. Tsy mahafantatra ny momba azy intsony izy fa manomboka miankin-doha amin’izay omen’ny vahiny. Tsara ny mamorona angano vaovao. Na izany aza, tsy tokony hivaona amin’ny maha Malagasy ny Malagasy (tany, teny, fomba, zavaboahary…) izy ireny. Tsy natao henoina fotsiny ihany koa fa ho afaka hanabe sy hitaiza, tahaka ny angano teo aloha ihany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: