16 novambra 2023: 60 taona katroka ny Fi.Mpi.Ma

Taorian’ny fodiamandrin’i Rose Valisoa (andrarezin’ny kabary). Nivory voalohany tao an-tranon-dRajohnson Samuël, ny 14 mirahalahy. Izy ireo no nanorina ny «Firaisan’ny Mpikabary Malagasy». Niova ho Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy » izany taty aoriana. Feno 60 taona katroka, omaly, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy ity.
Izy 14 mirahalahy nanorina ny Fi.Mpi.Ma : Rajohnson Samuël, Ravalisona Gasto, Andriamanony Jules, Andria­morasata, Randriamanalina Raymond, Rakotojaona Job, Rakotojaona (Pasitera Ambo­hinambo), Razafimahefa Alphonse, Andriamanantena Célestin, Raharimanana, Ra­tovoherizo Harisoa, Andria­manantena Georges, Rafidy Ravelomanantsoa, Rakotoson Daniel.
Ireo filoha valo mianadahy nifandimby nitantana ny fi­kam­banana : Rajohnson Samuel, Randriamanalina Raymond (na Andriamanalina Romba­lahivola), Rasamoelina An­drianasolo Fidèle Augustin, Ratovo Ravalison Gaston, Andriampanasina José Rivo­ari­vony, Rabenandrasana Lalao François, Herisoa Aandrianaina Rakotojaona, Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: