Tanterahina ny 24 novambra hatramin’ny 2 desambra 2023, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny Madagascourt Film Festival, andiany faha-18, ny fampirantiana “Mazava loha”, karakarain’ny fikambanana «Rencontres du Film Courts». Fampirantiana hanehoana ny lalana nodiavin’ny sinema malagasy sy ny sangany, izay efa misandratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’izany tontolo izany ity hetsika ity.
Anisan’ny singa iray nanarina ny sinema malagasy ny hetsika «Madagascourt Film Festival». Na dia teo aza anefa ny fahombiazan’ny Malagasy mpanatontosa maro teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, sahala amin-dRamampy Benoit, Solo Randrasana, Raymond Rajaonarivelo. Hita taratra fa nikoroso fahana tanteraka ny sinema malagasy. Lasa toeram-pivavahana ny efitrano fijerena sarimihetsika, zara raha nahazo sehatra teny amin’ny efijery ny sinema. Izany no anisan’ny handravaka ny fampirantiana “Mazava loha”. Ho hita mandritra izany ihany koa ny lalan’ny fikambanana “Rencontres du Film Court”, izany anisan’ny mamerina ny hasin’izany sinema malagasy izany.
Lin