Aoka tsy ifanakora!

 

Samy milaza ho mpandresy ny mpifanandrina politika taorian’ny androm-pifidianana. Ny andaniny, efa iaraha-mahita ny findangan’ny voka-pifidianana. Tafakatra 70 % amin’ny vato manan-kery no azon’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Efa manome ny endrim-pandresana ho azy amin’ny fihodinana voalohany izany. Izy rahateo efa matoky tena nandritra ny fitetezam-paritra nataony. Natoky tanteraka ihany koa ny vahoaka marobe nanjohy azy.
Etsy ankilany, tsy takona afenina ny fidingin’ny kandidà 10 hafa, tsy nadray anjara tamin’ny fifidianana. Mbola mandrangaranaga fitokonana sy hetsika goavana iarahana amin’ny vahoaka izy ireo. Hetsika izay efa nahazo fampitandremana mazava amin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana fa tsy ara-dalàna sy tsy handeferana intsony. Ity farany izay nilaza fa nandefitra hatrizay nisian’ny hetsika mba ahafahana nanatanteraka ny fifidianana.
Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fikorontanana rahateo. Zava-dehibe ny fahaizana manaiky lamina sy manaja ny lalàna manan-kery. Tsy misy fandrosoana, na fampandrosoana atao anatin’ny fanjakan’i baroa. Firenena miandrandra fanavaozana sy fampiakarana lenta ny tontolo iainan’ny vahoakany izy. Tsy maintsy anaty fitoniana sy fanajana ny safidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana no zava-dehibe.
Tsy azo ekena ny fihetsika mamoehatra mirona any amin’ny fambolena kirizy sosialy, indrindra amin’izao vaninandron’ny maintsoahitra izao. Tany demokratika i Madagasikara ka zava-dehibe ny fihainoana ny maro anisa anaty fanajana ny vitsy anisa. Tsy azo tsinontsinoavina ny ezaka nanatanterahana ireny fifidianana ireny. Vola tsy toko tsy forohana no lany. Herintsaina sy herim-batana tsy misy tahaka izany no natontona tao. Samy niandry fifidianana rahateo ny rehetra ka aoka tsy ifanakora !

Partager sur: