Tontolon’ny literatiora: hihaona ireo mpanoratra fandaharam-pianarana

Fotoan-dehibe ny anio, ho an’ny tontolon’ny literatiora. Hihaona ary hizara ny traikefany ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana, izay mbola velona amin’izao fotoana. Hetsika amina toerana telo samihafa izany.

Tontolo andro ho an’ny literatiora. Toerana sy fotoana telo no azo isafidianana: amin’ny 8 ora maraina, ao amin’ny Amphi Lycée Rabearivelo Analakely. Amin’ ny 1 ora tolakandro ao amin’ ny EPP Mahamasina ary amin’ ny 3 ora tolakandro kosa mandritra ny “Bar à livre” andiany fahasivy eny amin’ny Le Parc Bemasoandro Itaosy. Hoton­to­saina amin’ireo ny fihaonana amin’ireo mpanoratra izay anatin’ny fandaharam-pianarana ka mbola velonaina. Mpanoratra any amin’ny 40 no ho avy amin’ireo fotoana ireo. Anisan’ireny ry Nalisoa Rava­litera, R.Mamy Olivier, Ranöe, Ranjatohery Harilala, Ihari­lanto Patrick Andriaman­ga­tiana, Ngaly, Fanja Razah, Rima, Ra-Phi, Zo Maminirina, Bakohasina, Toloy, Mampan­dri­niaina Manitra, sns. Efa notsongaina ny asa soratr’izy ireo natsofoka tanaty laza adina, na nampiasaina tany am-pianarana mihitsy.
“Tsy mbola nisy ny fampihaonana mpanoratra anaty fandaharam-pianarana teto amintsika. Hatramin’izay ny mpampianatra no milaza ny heviny momba ny asa soratra iray amin’ny mpianatra. Amin’ ity fihaonana ity kosa, afaka mitafa mivantana, manontany sy manadihady ireo mpanoratra izay liana amin’izany. Natao indrindra ho an’ireo mpampianatra taranja Mala­gasy sy ireo mpianatra ny fihaonana”, hoy i Rima, izay tompon-kevitra amin’ity hetsika ho an’ny literatiora ity.
Marihina fa andiany fahasivy sady farany amin’ity taona ity ny “Bar à livres” eny amin’ny Le Park Bemasoan­dro Itaosy. Ho elanelam-panahy sy hitarika ny adihevitra amin’io i Vanga. Arahin’ny “Alim­betso”, izay fikarakaran’ireo poeta ao amin’ny Faribo­lana Sandratra izany. Toa ny mahazatra, fotoana iarahan’ ny fian­tsana sy ny mozika io, ho an’ ireo mpiray faribolana.

Zo ny Aina

Partager sur: