Madagascar Orchestra : hovelomina ny «Les quatre saisons»

Anisan’ny sarotra ny mamerina sy mampiaina indray ny sanganasan’i Antonio Vivaldi raha eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Iray amin’ireny ny «Les quatre saisons» izay nampitolagaga olona maro ny hatsarany, nanomboka tany amin’ny taona 1723. Hoporofoin’ny Madagascar Orchestra, ny 29 novambra izao, manomboka amin’ny 1 ora, etsy amin’ny IFM Analakely fa na eo aza io fahasarotana io, voafehin’izy ireo tsara ny fitendrena azy ity. Heno ao anatin’ny «Les quatre saisons» ny fahasamihafan’ny hetsiky ny zavaboahary mandritra ny vanim-potoana efatra (fahavaratra, ririnina…). Fihetsehana haingana, mifanohitra, tsy handrenesam-peo indraindray.
Mpamorona sy mpitendry zavamaneno (violon) tsy manam-paharoa i Vivaldi. Na tsy niaina tao anatin’ny fotoana naharitra loatra aza izy (63 taona), ny ankamaroan’ireo sanganasany fantatra sy miavaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’izany ny «L’estro armonico», «Stabat Mater», «Gloria», «Nisi Dominus»… Ho an’ny mpahay mozika: lova avy amin’i Giovanni Batista Vivali, rainy ny fahaizan’i Vivaldi zanany .

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: