Tanterahina eny Ankatso, hatramin’ny 24 novambra 2023, ny fampirantiana «Carte Blanche». Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny ADMC-CRAAM, eny amin’ny Oniversite Ankatso. Sary pika sy hosodoko ary haikanto plastika no mandravaka izany fampirantiana izany. Malagasy mpahay kanto miisa 8 no miara-misalahy manatontosa ity hetsika ity. Raha tsiahivina, tanjona ny hanome sehatra malalaka ny mpahay kanto maro samihafa, ahafahany maneho ny talentany sy ny fahaiza-manaony.
Haikanto maroloko no hita eny amin’ny ADMC-CRAAM Ankatso, mandritra ny fampirantiana. Ho an’ny eo amin’ny sary pika. Maneho ny kantony i Henintsoa Rafalia sy Valéry Andriamialison. Fad Mad’Art, Sih Rakout, Pr Jacqueline Ravelomanana, Abtoihihou Soalihy, Dina Mitia Rabearivelo, We Art kosa no eo amin’ny hosodoka sy sary tanana, raha i Valery Andriamialison no eo amin’ny haikanto plastika.
Araka ny nambaran’ny mpikarakara, manan-karena haikanto hita maso sy mpahay kanto amin’izany isika Malagasy. Maroloko sy kanto ary samy manana ny maha izy azy tokoa izy ireo. Somary voafetra anefa ny mpahay kanto mamoaka izany haikantony izany ka izay no anton’ny nanaovana ny hetsika. Malalaka daholo ny rehetra mandritra ity fampirantiana ity, na ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpahay kanto, na ny fanehoan-kevitr’izy ireo amin’ ny haikantony.
Lin