Handball – CCCOI : hatao ny faran’ny volana febroary 2024

Notapahin’ny AHBOI (Association de handball de l’ocean Indien) fa hotanterahina ny faran’ny volana febroary 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI). Horaisin’i Maurice izany fihaonana izany, rehefa tsy vonona ny hampiantrano azy, ny Nosy Rodrigues.
Ankoatra izay, nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMHB) fa mety ho an’i Madagasikara izany fanemorana izany. Raha tsiahivina, tsy mbola nahatontosa ny fifaninanam-pirenena ihany koa mantsy ny federasiona noho ny antony tsy miankina taminy. Fihaonana, tokony ho notanterahina ny 13 ka hatramin’ny 21 oktobra lasa teo, tany Antsiranana.
Araka ny angom-baovao, hatao ny faran’ny volana janoary izany saingy mbola tsy voafaritra ny toerana hanatontosana izany. Hanana ny lanjany lehibe io fihaonana io satria hamaritra izay hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’io fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina io.

Tompondaka

Partager sur: