Fahombiazana tanteraka no azon’ny Malagasy solontena niatrika ny “Open d’Afrique”, andiany faha-5, taranja Jiu-Jitsu, natao tany Maorisy, ny sabotsy 18 novambra lasa teo. Medaly 28 be izao no noraofin’ny Malagasy.
Tsy nisy nody maina fa samy niambozona medaly avokoa izy 18 mianadahy niverina teto Madagasikara. Nisy tamin’izy ireo aza no nitondra medaly roa nody, taorian’ny fiatrehana ny fifaninanana natao tany Maorisy iny. Anisan’izany i Tatamo, izay nanao pao-droa ka voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Gi latsaky ny 68 kg, vehivavy sy Nogi latsaky ny 66 kg. Teo amin’ny lehilahy kosa, nisongadina indrindra i Zo Aina izay tompondaka teo amin’ny Nogi latsaky ny 86 kg ary tompondaka lefitra teo amin’ny Gi latsaky ny 88kg. I Andy izay Malagasy mpikatroka ihany ny tompondaka teo amin’ny Gi latsaky ny 88 kg. Nahazo ny anaram-boninahitra ihany koa i Linjo teo amin’ny Gi latsaky ny 62kg, i Nofy teo amin’ny Gi Kids latsaky ny 63 kg, i Diary teo amin’ny Gi Kids latsaky ny 54 kg, i Aiky teo amin’ny Gi Kids latsaky ny 57 kg, i Willy teo amin’ny Nogi latsaky ny 94 kg, i Mirindra teo amin’ny Gi latsaky ny 76 kg, Tafita teo amin’ny Gi latsaky ny 70 kg, i Adriano teo amin’ny Gi latsaky ny 68 kg ary i Christian teo amin’ny Gi latsaky ny 62 kg. Mbola maro ireo mpikatroka nahazo ny medaly volafotsy sy alimo tamin’izy 18 mianadahy ireo. Ho an’i Arindra manokana, fifaninanana iraisam-pirenana voalohany ho azy ity “Open d’Afrique” ity kanefa nahazoany medaly volafotsy roa sahady, teo amin’ny Gi latsaky ny 61 kg sy ny Nogi latsaky ny 66kg. Nambarany fa afapo izy tamin’ny vokatra azony ary nahazo traikefa tsara nandritra ny fifaninanana.
Mi.Raz