Basikety 3×3: manoman-tena fatratra ny Ankoay

Higadona afaka tapa-bolana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, handraisan’i Madagasikara anjara. Fifaninanana hotanterahina any Le Caire Egypta, ny 1 hatramin’ny 3 desambra ho avy izao. Samy handray anjara avokoa ny Ankoay lahy sy vavy ary efa fantatra ireo firenena iray vondrona aminy. Araka ny hita etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fanomanan-tenan’ny ekipa malagasy ary vonona izy ireo ny handrombaka ny amboara. Ho an’ny Ankoay lahy, iray vondrona amin’i Bénin, Kenya, Maraoka ary i Mali i Madagasikara. Ho an’ny Ankoay vavy kosa, i Bénin, Kenya, Maraoka ary Nizeria no iray vondrona aminy. Angadin’ny Malagasy tsara raha ireo mpifanandrina aminy ireo ary manana fanantenana ireo mpilalao. Momba ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy kosa, tsy misy fiovana fa ireo efa tao anatin’ny ekipa ihany no mbola hiaro ny voninahi-pirenena. I Muriel, i Christiane, i Chine ary i Sydie no Malagasy solontena, vehivavy. I Elly, i Arnol, i Livio ka iray amin’i Rickley sy i Fiary kosa ny eo amin’ny sokajy lehilahy. Tsiahivina, i Madagasikara no nahazo ny amboara tamin’ny andiany farany, teo amin’ny sokajy lehilahy ary mbola manantena ny hahazo ny fandresena na ny Ankoay lahy na ny Ankoay vavy amin’ity andiany faha-5 ity.

Mi.Raz

Partager sur: