“Samy mbola hafa” : ho tafaraka indray ry ‘Zay sy i Tovo J’Hay

“Mbola hafa ihany, hoy aho ilay hoe tianao…”, hoy ny hi­ran’ny tarika ‘Zay. “Mbola hafa ianao, tsy afaka an-doha”, hoy kosa ny setriny amin’ny hiran’i Tovo J’Hay. “Samy mbola hafa” no anarana nosafidiana hampisalorana ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto an-tsehatra. Seho manokana izay hotontosaina ny 3 desambra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato. Ny Louvto Company kosa no handray an-tanana ny fikarakarana.
Tsy fiarahana vao sambany akory, ary azo antoka fa tsy ho farany ihany koa ity, raha ho an’ny tarika ‘Zay sy i Tovo J’Hay. Mbola hafa foana araka ny lohateniny anefa, satria dia handrasan’ny mpankafy maro hatrany izany. Nitovitovy ny vanim-potoana niakaran’ny tarika roa tonta teo amin’ny laza. Na samihafa aza ny mozika voizina, nanana mpankafy niombonana marobe ireto mpanakanto ireto, ary voaporofo tamin’ny fahombiazan’ny seho izay niarahana hatramin’izay izany.
“Mpinamana efa hatry ny ela. Samy ela nivoizana mozika. Efa ela tsy tafaraka”, hoy ny fampahafantarana, nandritra ny fandraisana an-tsary ny rakitsary vaovao iarahan’ny roa tonta. Na tsy hitovy tanteraka tamin’ny taloha aza, hamerina fahatsiarovana maro ho an’ny tarika ‘Zay sy Tovo J’Hay ity fiarahana ity. Hanjaka, araka izany, ny fampiaraham-peo amin’ireo hira maro noforonin’i Nary andaniny sy ny an’i Tovo J’Hay, ankilany. Hisy ihany ampaham-potoana samy hanaovan’ny tarika ny sanganasany, saingy ilay fiarahana no tena hisongadina amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana.

Zo ny Aina

Partager sur: