Tsy mbola mifarana ny taom-pilalaovana 2022-2023 ho an’ny taranja tolona. Hiatrika fifaninanana “tournoi de Noël” any La Réunion i Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenjanahary Nathalie (-53 kg). Fifaninanana izay hatao ny 2 sy 3 desambra ho avy izao. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Tolona, omaly dia mety hanao ny fianarana ara-panatanjahantena “sport étude” any amin’ity nosy rahavavy ity izy roa vavy.
Ny klioban’ny St Joseph no handray azy ireo raha ny filazany. Tsiahivina fa i Sarah, 15 taona, efa nahazo medaly alimo tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika U17, sokajy vehivavy, izay natao tany Tunisie, ny volana mai lasa teo. Raha ho an’i Nathalie, 17 taona, efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny tenany.
“Aorian’ity fifanintsanana ity, hanao fivoriambe ara-potoana “Assemblée Générale” ny Federasiona. Ary izany no mamarana ny taom-pilalaovana 2022-2023” , hoy Raveloson Mamitiana. Notsiahivin’ity farany fa nahafapo ny vokatra azo teo amin’ny Taranja tolona tamin’ity taona ity. Nanamarika izany ny vokatra azo tamin’ny lalaon’ ny Nosy, izay medaly volamena miisa 11 sy volafotsy 8 ary alimo 2 i Madagasikara.
Fitia Randria