FZMMRA – Doany Dadabe Rakotomaditra : natomboka ny fanamboarana ny tohatohabato

Anisan’ny toerana manan-tantara eny Atsimondrano ny fisian’ny doany ao Ankadivoribe Soalandy. Mandray andraikitra ho fikoloana izany ny FZMMRA.

Fikambanan’ny zanadrano mpitsabo mpikaroka raokandro malagasy Atsi­mondrano na ny « FZMMRA ». Misahana sy mise­hatra manokana amin’ny fiarovana sy ny fikarakarana ireo vakoka, fitsaboana nentim-paharazana manerana ny Nosy. Nomarihina tamin’ny fanatanterahana ny vavasa fanamboarana ireo tohatohabato ahafahana manamora ny fitsidihana ny Doanin’i Dadabe Rakotomaditra, ao amin’ny fokontany Ambohimasimbola, kaominina Ankadivoribe Soa­landy, ny sehatrasan’ny FZMMRA, ny sabotsy teo. Nanterin’ny filohany, nandritra ny fanatanterahana ny asa, fa « ilaina ny fiaraha-mientana eo amin’ireo samy mpikambana mba hahafahana manatontosa ny adidy goavana mbola miandry ny FZMMRA. Ani­san’izany ny fiarovana sy ny fanamboarana atao amin’ireo doany misy manerana ny Nosy. Ny fiahiana ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana sy ireo mpikirakira izany eto Madagasikara ».

Nanterin-dRandrianante­naina Jean Emicaël, filoha nasionalin’ny fikambanana fa « tsy misy afaka mitsabaka amin’ny asan’ny « FZMMRA ». Efa nahazo ny fankatoavana feno sy ny tsodrano avy eo anivon’ny minisitera mpiahy sy ireo manampahefana isan’ambaratongany izy ireo amin’ny fanatanterahana ny sehatrasany ». Nanao antso avo ho an’ireo tsara sitrapo sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, vonona hifanome tanana amin’ny fikambanana, izy.
Hitohy ny sabotsy 25 no­vambra izao, amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Doanin’i Dadabe Rakotomaditra, ny asa ho amin’ny fanamboarana ny tohatohabato. Hisy ny fivoriam-be iarahan’ireo mpikambana rehetra, eny an-toerana. Ireo rehetra te hitondra ny anjara birikiny, afaka mametraka izany ao amin’ny Doanin’i Dadabe Rakoto­ma­ditra.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: