“Road to BAL” – Elites 16 : resin’ny City Oilers 81 no ho 76 ny Cospn

Niditra an-tsehatra omaly, ao anatin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL”, Elites 16, taranja Basikety, ny Cospn Madagasikara. Fifaninanana tontosaina any Johannesburg, Afrika Atsimo.

Isa 5 monja ny nandavoan’ ny City Oilers avy ao Ou­ganda ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, nandritra ny andro voalohany, omaly. Niady tanteraka ny fihaonana ary tafiditra tsara tao anaty lalao ny ekipan’i Elly sy ny namany. Nisy fotoana nitarika mihitsy i Madagasikara ary niha niakatra ny herijikan’ireo Malagasy mpilalao. Somary nisy fahaverezam-baolina maromaro anefa teo amin’ny ampaham-potoana fahatelo sy fahefatra ka nahazo aina ry zareo Ougandais. Mbola nitarika ny Cospn teo am-piafaran’ny fe-potoana faharoa sy fahatelo. Teo amin’ny ampaham-potoana fahefatra no nanomboka nifandimbiasana ny fampidiram-baolina, saingy nanantombo tamin’ny isa dimy ny City Oilers. 81 no ho 76 no nisarahan’ny roa tonta. Araka ny fandaharam-potoana, hiatrika ny lalao ifanandrinana amin’ny ekipan’ny Ferroviaro Mozambika indray ny Cospn ho amin’ny anio. Amin’ny 5 ora hariva eto Madagasikara no hanaovana ity lalao ity. Hi­fandona amin’ny JBC avy any Zimbamboe kosa ny ekipa malagasy, rahampitso ao Johannesburg, Afrika Atsimo. Amin’ny 1 ora tolakandro, ora eto Madagasikara no hanatanterahina ity lalao ity. Hijery ny hanatsarana sy ny hanarenana izay tsy nety tamin’ny andro voalohany, omaly, ny Cospn, amin’ireo lalao roa ireo ka hitady fandresena ahafahana miatrika ny dingana mana­raka. Tsiahivina fa izay ekipa mendrika indrindra ao amin’ity vondrona ity no hiakatra amin’ ny dingana manaraka hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Road to BAL”, taona 2024.

Mi.Raz

Partager sur: