Amboaran’i Madagasikara : hanala vela amin’ny Tam ny Mang’Art

Hanomboka ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­ga­sikara, taranja Rugby. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Tam Anosibe sy ny Mang’Art Manjakaray. Mbola manala vela amin’ny ekipan’Anosibe ny mpilalaon’i Manjakaray. Lavon’ny Tam tany amin’ny segoandra farany ny Mang’Art nandritra ny ampahavalon-dalan’ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 ».
Ankoatra izay, miandry any amin’ny ampahefa-dalana avy hatrany ireo ekipa niatrika ny manasa-dalana nandritra ity fifaninanana Top 20 ity. Anisan’izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa, miampy ny 3FB sy ny Uscar. Tsiahivina fa mihintsana any amin’ny D2 ny FTAT Anosibe, ny US Ikopa, ny XV Avenir, ny XV FA, ny FBM Itaosy, ny JSTA Ambondrona, ny 3FAI Ambalavao Isotry ary ny SCB Besarety.

Fitia Randria

Ireo fandaharan-dalao amin’ny alahady :
-9 ora : FTBA Andohatapenaka vs USA Ankadifotsy
-11 ora : UASC Cheminot vs TFA Anatihazo
-1 ora : TFMA Ankasina vs STM Savonnerie
-3 ora : TAM Anosibe vs Mang’Art Manjakaray

Partager sur: