Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona hiatrehana ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Raha ho an’ny sokajy “I”, nahazo isa telo i Madagasikara rehefa nandresy an’i Tchad tamin’ny isa 3 no ho 0, tany Maroc. Ny ekipam-pirenen’i Comores no hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao, ny volana jona ho avy izao. Lalao hotanterahina eo amin’ ny Kianja Barea Mahamasina.
Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ny lalao roa farany nifanandrinan’ny ekipa nasionaly malagasy tamin’ny ekipan’i Comores, nahazo fandresena tokana i Madagasikara ary ady sahala iray. Nilaza ny mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Félix, Coach Rôrô, fa efa tafiditra tsara anatin’ny fifaninanana tanteraka ny Barea. Marihina fa baolina roa tafiditr’i Njiva, ny minitra faha-10 sy 84, sy ny an’i Lapoussin, tany amin’ny faha-90 no nitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy, raha nifanandrina tamin’i Tchad.
Raha ny vaovao voaray omaly, mitana ny laharana fahatelo isika ao amin’ity vondrona “I” ity. Tsiahivina fa ny
17 novambra lasa teo, tany Ghana, resin’i Ghana tamin’ny isa 1 no ho 0 i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, hanao lalao ara-pirahalahiana i Madagasikara ny volana marsa ho avy izao.
Fitia Randria