Anisan’ny hetsika lehibe, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika aty Afrika, indrindra eto Madagasikara ny “Madagascourt Film Festival”. Miisa 68 ny mpanatontosa navoakan’ny hetsika ary mbola hitohy ny fampiroboroboana ny sarimihetsika afrikanina, indrindra ny Malagasy.
Tanterahina ny 24 novambra 2023, hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antananarivo sy any Mahajanga, ny Madagascourt Film Festival (MFF), andiany faha-18. Fifaninanana, atrikasa, valandresaka arahina adihevitra sy fifampizarana eo amin’ny samy mpanatontosa no hameno ny fandaharam-potoan’ity hetsika lehibe eo amin’ny sarimihetsika, atao eto Madagasikara, ity. Hampiavaka ity andiany ity ny fandraisan’anjaran’ny Brezilianina mpanatontosa. Tanjon’ny mpikarakara ny MFF ny hanome sehatra sy tosika ho an’ny sarimihetsika malagasy sy ny Malagasy mpanatontosa.
Tanterahina anio, eny amin’ny IFM Analakely, ny lanonam-panokafana ny MFF, andiany faha-18. Sarimihetsika 38 isa, nataona mpanatontosa 39, avy amin’ny firenena afrikanina 21 no voatazona hifaninana izay hahazo ny “Zebu d’Or”, izay amboaran’ny MFF. Sokajy efatra no hifaninana ao anatin’ity hetsika lehibe ho an’ny sarimihetsika afrikanina ity. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny sarimihetsika handeha eny amin’ny ivontoerana sy fahitalavitra mpiara-miasa amin’ny mpikarakara. Miisa 278 ireo, izay sarimihetsika tao anatin’ny nifaninana, ny handray anjara ao anatin’izao hetsika lehibe izao. “Anisan’ny mampiavaka ny MFF, ny fanomezana zava-baovao hatrany ny mpanaraka isan-taona”, hoy Razanajatovo Laza, talen’ny fikambanana Rencontre du film court. Hampiavaka ity andiany faha-18 ity, ny fisokafan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpanatontosa Afro-brezilianina.
Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny “Mazava loha”, rantin-tsary hanehoana ny lalana nodiavin’ny MFF, tao anatin’izay andiany 18 izay. Eo ihany koa ny “Kidinike”, valandresaka arahina adihevitra, iarahana amin-dRajaonarivelo Raymond sy Rijasolo, hiresahana mahakasika ny sary pika sy ny sarimihetsika. Eo ihany koa ny “Matinée des Réalisateurs et Réalisatrices”, fotoana hifampizaran’ireo mpanatontosa mandray anjara amin’ny hetsika. Ny « Ti’kino Gasy », fotoana ahafahan’ny mpanao famoronana ho an’ireo manana tetikasa ary ny « Mifa », izay atrikasa manodidina ny sarimihetsika.
Lin