Manandratra ny beko: Mijery lavitra ry Ndaty Lahy

Tsimoramora saingy mandroso. Manohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny mozika ny tarika Ndaty Lahy. Efa mijery lavitra ihany koa, raha tarafina tamin’ny seho izay notontosain’izy ireo ny alin’ny alarobia teo, tetsy amin’ny No Comment Bar, Isoraka. Mivoy sy manandratra ny beko mifangaro gadona maroloko ry Anthony sy ny tariny. Ho an’ireo tsy mbola naheno na nahita an-tsehatra, nahatsapa avy hatrany ilay “mozika miaina”, azo amidy tsara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Izay rahateo ny tanjona ho an’ny tarika Ndaty Lahy, ary efa nanokatra ny lalana ny fandraisan’izy ireo anjara tany amin’ny “Lalaon’ny Frankôfônia” tany Kinshasa, RD Congo, farany teo.
Hira 10 teo ho eo no nalahatra, ka anisan’izany ny “Nanino” sy “Ino toy”, efa nahafantarana an-dry zalahy. “Misy maromaro ny hira efa vita, saingy ireo no nomasahana mba ho voarain’ny mpankafy. Mbola misy koa ny fanatsarana tsikelikely entinay amin’ny fiakarana an-tsehatra”, hoy i Tiana, mpitendry gitara beso. Efa tsapa ny fahazaina mampiaraka talenta amin’ireo mpikambana ahitana an’i Tiana, i Hery eo amin’ny amponga maroanaka, Tsila eo amin’ny gitara ary i Anthony, izay sady mihira, mitendry gitara, miangaly angorodao no mikapoka amponga ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: