Hanamarika ny faha-5 taona nijoroany, amin’ny taona 2024 ny Groupe Ny Fitia. Antom-pisian’ny tarika ny hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny talenta ao anatin’ireo mpikambana. Misy ny mampiavaka ny tarika…
… Fivoizana ny ôsika mampiavaka ny faritr’Alaotra. Mirona kokoa amin’ny filalaovana sy famolahana ny gadona mihetsika toy ny salegy anatin’ny hira evanjelika. Anisan’ny mampiavaka ny Groupe Ny Fitia ireo, raha ny fanazavan’ i Fanokely, filohan’ny tarika. Ankoatra ireo, ahenoina jijy ihany koa any anatin’ireo sanganasan’ny Ny Fitia mba hanamorana ny fampitana ireo hafatra mafonja raiketin’ny tononkira. Raha atao indray mijery, mivoy ny mozika evanjelika manana fototra avy any Antsihanaka ny Groupe Ny Fitia.
Anisan’ireo vazo mitaiza fanahy nahafantarana ny Groupe Ny Fitia ny « Gônan’i Jesosy ». Handimby ny voalohany nirakitra rindran-tsary nahatratra 13, eo ampiketrehana ny rakitsary (DVD) andiany faharoa ankehitriny ny tarika. Hiara-dalana amin’izany ny fanatontosana fitetezam-paritra ho fanatanterahana ny hoe : « Mitoria teny vaovao mahafaly ho an’izao tontolo izao ».
Manana traikefa matanjaka
Fanokely, mitarika ny Groupe Ny Fitia. Manana traikefa sy haizatra matanjaka eo amin’ny lafiny fitendrena zavamaneno (gitara maranim-peo) sy ny famoronana tononkira ombam-peony, noho izy efa nilona an-taonany maro tao anatin’ny mozika. Tahaka izany koa ny dihy sy ny fitaizana ara-panahy iandraiketan’ny Ramatoa Noro. I Anjara, eo amin’ny famoronana ny soradihy. Ireo mpandihy ahitana an’i Mariah, Larciah, Tandrify, Manampy, Fanampy, Tsilavina, Malalatiana, Tsinjo, Finoana, Anjara, Kely, Keissah, Mia, Hasina, Avotra ary i Aina. Samy nilona tao anatin’ny dihy avokoa.
Ny pasitera Randriamampionona Daniel, mpitandrina FJKM Bejofo Fampihavanana, synodam-paritany Alaotra Chrome, no filoham-boninahitry ny Groupe Ny Fitia.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto