Anisan’ireo seho voatery nofoanana ny an’ny Vox Angeli Vivace, saika notontosaina ny 10 oktobra lasa teo. Vaovao tsara ho an’ireo mpankafy : nahemotra ka hatao ny 29 novambra izao izany. Mandritra ny « Concert classique de midi » andiany faha-143, fanao ao amin’ity ivokolo frantsay ity ihany, saingy hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro ny amin’ity indray mitoraka ity, noho ny fandaminana.
Hira sy mozika klasika notsongaina tao anatin’ireo « opérettes » miisa telo : « Les pirates de Penzance » an’i Arthur Sullivan, « La vie parisienne » an’i Jacques Offenbach ary ny « Die Fledermaus » an’i Johann Strauss, no hovelomin’ny Vox Angeli Vivace mandritra izany. Eo ambany fitarihan’i Fahombiazana Andrianamelasoa hatrany izany. Hira miisa 16 amin’ny teny anglisy, frantsay ary alemà, miaraka amin’ny rindra an-tsehatra izay maharitra eo amin’ny 45 minitra eo ny fitambarany no homanin’izy ireo.
Tohin’ny fiarahana ity ho an’ireto mpanakanto ireto, taorian’ny fivoahana tany Toamasina sy Foulpointe nandritra ny « Musical Odyssey, Vox Angeli’s Workshop and tour ».
Zo ny Aina