Fahasalamana: mila mailo amin’ny aretina pesta

Fotoana mampirongatra ny aretina pesta izao. Mitaky fahamailoana izany. Mila mamonjy dokotera avy hatrany raha vao misy atoditarimo miharo fanaviana mafy…

Ny volana aogositra hatramin’ny avrily ny vanim-potoanan’ny valanaretina pesta. Efa hatramin’ny volana jolay ny fiomanana, hoy ny talen’ny DVSSER. Nentanina ny isaky ny distrika izay manana drafitra iarovana amin’ny trangana pesta. Misy ny dina anaty distrika sy kaominina ary fokontany napetraka ifampifehezana tsy hisian’ny aretina Maromaro ireo nararin’ny pesta tao anatin’izay efa-bolana izay, vanim-potoana firongatany, araka ny tatitra avy any amin’ireo distrika misy pesta ary voamarin’ny fitiliana natao tany amin’ny laboratoara. Anisan’ny nampiakatra izany ny tranga tao Ankazobe saingy efa voafehy izany amin’izao fotoana. Raha oharina ny tamin’ny taon-dasa kosa anefa dia nihena izany noho ireo ezaka nifarimbonana, raha ny fanazavan’ny talen’ny DVSSER hatrany.
Raha ny fitrangan’ny aretina pesta atoditarimo dia misy fivontosana ny ambany helika na ambany tenda (atoditarimo). Mafana hoditra ny marary ary marary an-doha sy reraka tam­poka.
Ho an’ny pesta aretin-tratra kosa dia ivaiva ny fanaviana sady mikohoka ary misy piti-dra ny rehoka. Marary mafy ihany koa ny tratra.
Rehefa misy tranga hafahafa toy ny fanaviana mahery vaika, atoditarimo… dia manatona dokotera haingana. Azo tsaboina tsara ny pesta rehefa tonga ara-potoana eny amin’ny tobim-pahasalamana.
Mampitsoaka ny voalavo hiakatra an-tanàna ny doro tanety. Mitondra aretina ny voalavo ary mamindra amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny parasy entiny. Fisorohana ny doro tanety sy ny fanajana ny fahadiovana, araka izany, no fiarovana tsara indrindra amin’ny aretina pesta.

Tatiana A

Partager sur: