CUA-OIF: Andiany faharoa ny fizarana kopia faobe

Natomboka tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly, ny hetsika kopia faobe andiany faharoa, karakarain’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) sy ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA).
Ankizy miisa 1 350 indray no hisitraka izany ao amin’ny boriborintany voalohany ka ireo izay latsaky ny 18 taona rehetra dia afaka mahazo izany kopia nahaterahana izany.
Vita omaly, araka izany, ny fotoam-pitsarana hanomezana “Jugement Supplétif de naissance” an’ireo ankizy, izany hoe, didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana.
Io didy io avy eo no soratana eny amin’ny firaisana ka izay ahavitan’ny fanoratana izany didy izany no hizarana amin’ireo mpisitraka ny kaopia nahaterahana.
Natao izao hetsika izao mba hahafahan’ny ankizy miditra an-dakilasy sy hisitrahany ny zony feno amin’ny maha ankizy azy. Tanjon’ny Kaominina Antananarivo ny hahavita eo amin’ny 12 000 kopia eo amin’ity andiany faharoa ity.
Efa hatramin’ny fiando­han’ity taona 2023 ity ny fiaraha-miasan’ny OIF sy ny CUA amin’ny hetsika kopia faobe. Efa nisy ny hetsika maromaro natao tamin’ny andiany voalohany manerana ny boriborintany enina.
Anisan’ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fampidirana mpianatra ny kopia. Marika ny maha olom-pirenena ara-dalàna ary vosoratra ara-panjakana. Zo ihany koa ny fisitra­hana izany ka mendrika ny hanaovana ny ezaka manokana toy izao.

Tatiana A

Partager sur: