Nandalo ny dingana rehetra… Fotoana kosa izao ho an’ny fampisehoana lehibe, raha ho an’i Njara Marcel. Voarain’ny mpankafy tsara rahateo ny vokatra.
«Ihafiako». Anisan’ireo hira be mpankafy amin’izao fotoana ity sanganasan’i Njara Marcel ity. Fotoana fohy taorian’ny nivoahany ny faramparan’ny volana oktobra teo, efa milahatra anatin’ireo fandaharana misafidy izay hira be mpankafy any amin’ny haino aman-jery ireny ity hira ity. Manamarika ny tohin’ny lalana ho azy izany, ka nampisalorany ny hoe «Ihafiako Tour», ny andiam-pampisehoana izay kasainy hotontosaina rehetra eo.
Hisantatra izany ny seho lehibe etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fotoana hizaran’ity mpanakanto ity an-tsehatra ireo sanganasany rehetra io. “Efa ela ny nanomanana azy ka fotoana izao hanolorana ny kanto ho an’ny mpankafy”, hoy ity mpanakanto ity. Ho vahinin’i Njara Marcel mandritra ny fampisehoana i Ayam, Tsanta ary ny Tambour Gasy. Aorian’ny etsy amin’ny CCEsca, ny fetin’ny faran’ny taona no fotoana manaraka, any amin’ny Espace vacances Andrianina Manambato.
Raha hiverenana kely, nanomboka ny taona 2016 no tena niditra teo amin’ny sehatry ny mozika i Njara Marcel. Namerina hirana mpanakanto hafa, ary efa nisongadina tamina fifaninan-kira izy. Mpanakanto maro rahateo no efa niara-niasa taminy. Nanomboka nanoritra ny lalany kosa ity mpanakanto ity, taorian’ny namoahany ilay hira “Ho mandrakizay”. Io ny hira noforoniny voalohany sy nitondra azy tsikelikely mankaty amin’ny laza. Efa niaka-tsehatra goavana ihany tao Antsahamanitra, saingy mbola niaraka tamin-dry Princio, Nate Tex ary Jacquis Randria izy, ny taona 2022. Nahazo amboara nandritra ny 4 taona nisesy tamin’ny “RDJ Mozika” ihany koa, tamin’ny alalan’ireo hirany “Saino ihany”, “Ho mandrakizay”, “Veloma” ary “Azafady”.
Zo ny Aina