Oniversiten’Antananarivo : hiverina hampianatra ny mpampianatra

Tonga amin’ny vahaolana iraisana ny sehatry ny anjerimanontolo. Hiverina amin’ny fampianarana ny mpampianatra vonona ho amin’izany.

Nifanakalo hevitra tamin’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny Collectif des Professeurs, ny Seces Sampana Antana­narivo ary ny Collège des Enseignants, ny faran’ny herinandro teo.
Tanjona ny hirosoana amin’ny filaminan’ny fiainan’ny oniversite ary ny hama­ranana ny taom-pianarana 2022-2023 izay nisy fitsaharana am-bolana maro ho an’ny sampam-pampianarana vitsivitsy.
Nanapa-kevitra ny rehetra tonga nivory fa hanohy ny fampianarana, indrindra ireo izay tsy mbola nahavita izany, ary hiroso amin’ny famaranana ny taom-pianarana izy ireo ka hanomana ny fidirana manaraka.
Nampahafantarina ny re­hetra koa ireo dingana maro vita amin’ny famalian’ny fitondram-panjakana ny fangatahan’ny mpampianatra.
Ny oniversiten’Antana­narivo no nahitana fahatarana ela amin’ny famitana ny taom-pianarana. Nilamina sy nahavita izany ny ankamaroan’ireo oniversite any amin’ny faritany sy ireo IST. Mamarana ny taom-pianarana amin’ny alalan’ny fanadinana famerenana kosa ny ambiny.
Ny eto Antananarivo, efa maromaro ireo sampam-pampianarana efa nahavita ny fanadinana iray manontolo. Anaty fanadinana tanteraka ny fakiolte EGS, manohy ny fampianarana mba hahafahany mamarana kosa ny fakiolte LSH sy ny Siansa.
Etsy ankilany, taorian’ny nivoahan’ny mpitarika ny Seces, teny Fiadanana, dia tsy nisy intsony aloha ny hetsika sy ny karazana fanamba­rana.
Heverina hitondra fitoniana sy filaminana eo amin’ny fiainan’ny oniversite ny fiverenana amin’ny fampianarana sy ny fitsaharan’ny fitokonana.
Tatiana ANifanakalo hevitra tamin’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny Collectif des Professeurs, ny Seces Sampana Antana­narivo ary ny Collège des Enseignants, ny faran’ny herinandro teo.
Tanjona ny hirosoana
amin’ny filaminan’ny fiainan’ny oniversite ary ny hama­ranana ny taom-pianarana 2022-2023 izay nisy fitsaharana am-bolana maro ho an’ny sampam-pampianarana vitsivitsy.
Nanapa-kevitra ny rehetra tonga nivory fa hanohy ny fampianarana, indrindra ireo izay tsy mbola nahavita izany, ary hiroso amin’ny famaranana ny taom-pianarana izy ireo ka hanomana ny fidirana manaraka.
Nampahafantarina ny re­hetra koa ireo dingana maro vita amin’ny famalian’ny fitondram-panjakana ny fangatahan’ny mpampianatra.
Ny oniversiten’Antana­narivo no nahitana fahatarana ela amin’ny famitana ny taom-pianarana. Nilamina sy nahavita izany ny ankamaroan’ireo oniversite any amin’ny faritany sy ireo IST. Mamarana ny taom-pianarana amin’ny alalan’ny fanadinana famerenana kosa ny ambiny.
Ny eto Antananarivo, efa maromaro ireo sampam-pampianarana efa nahavita ny fanadinana iray manontolo. Anaty fanadinana tanteraka ny fakiolte EGS, manohy ny fampianarana mba hahafahany mamarana kosa ny fakiolte LSH sy ny Siansa.
Etsy ankilany, taorian’ny nivoahan’ny mpitarika ny Seces, teny Fiadanana, dia tsy nisy intsony aloha ny hetsika sy ny karazana fanamba­rana.
Heverina hitondra fitoniana sy filaminana eo amin’ny fiainan’ny oniversite ny fiverenana amin’ny fampianarana sy ny fitsaharan’ny fitokonana.

Tatiana A

Partager sur: