Tobim-piantsonan’ny fiara : nofendrahana ranom-panafody

Mitety ireo toeram-piantsonan’ny taksiborosy ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), mamendraka fanafody mamono mikraoba sy bibikely. Rarahana ranom-panafody ny toerana sy ny fiara fitateram-bahoaka miainga eny amin’ny tobim-piantsonana hisorohana ny karazana valanaretina. Nosantarina teny Ampasampito sy ny toby Maki Andohatapenaka izany.
Vanim-potoana fiakaran’ireo karazana voankazo maro samihafa (manga, litchis, …) isika ary maro ny fivezivezena. Fotoan’ny valanaretina ihany koa ka izay no antony hanaovana ny hetsika, raha ny fanazavana.
Tafiditra ao anaty fanajana ny lalàna mifehy ny asa fitateram-bahoaka sy ho fisorohana ihany koa izay mety ho fiparitahan’ny aretina maro ( gripa, tazo, pesta, aretin-kibo, …).
Nanentana ny mpampiasa lalana, mpampiasa fiara fitateram-bahoaka mba hitandro hatrany ny fahadiovana na ao anaty fiara na eny an-dalambe ny ATT ho fitandroana ny fahasalamana ho an’ny daholobe.

Tatiana A

Partager sur: