Laharam-pahamehana ho an’ny Orange ny fanohanana ny tanora amin’ny fampiofanana arakasa miaraka amin’ny teknolojia vaovao na inona na inona fahaizana ananany. Mandray mpianatr’asa amin’ny sehatra maro koa ny orinasa isan-taona..
Mampivelatra ny fiaraha-miasa amin’ny fampiofanana sy ny fiofanana arakasa miaraka amin’ ny mpiray ombon’antoka ny orinasa Orange Madagascar. Nanao sonia fifanarahana amin’ny Institut d’études politiques (IEP) Madagascar sy ny Institut national des sciences comptables et de l’administration d’entreprise (INSCAE) ny orinasa. Fanohizana ny fifanohanana no natao satria efa mpiray ombon’antoka amin’ny fanofanana ho an’ny tanora ny telo tonta hatramin’izay, araka ny fanazavana. Mandray tsy tapaka ireo mpianatr’asa avy amin’ny ivontoerana roa hatrany ny Orange amin’ny sehatrasa misy ao aminy, manomboka amin’ny fitantanana hatramin’ ny fanaovana « audite » sy ny fitantanam-bola.
Mahazo tantsoroka manokana ny mpianatr’asa rehetra mandritra ny fandalovany ao, hanamora ny fidirany amin’ny sehatry ny asa. Mahatratra 250 isan-taona ny mpianatr’asa raisin’ny orinasa amin’ny sehatrasa samihafa misy ao aminy, mivelatra amin’ny karazany 140, araka ny fanazavana hatrany.
Nohamafisina tamin’ny fifanarahana ny fitohizan’ny asa sy ny fanomezana sehatra ho an’ny tanora, hahafehy sokajin’asa maro, ahafahany misafidy ny asa tena mety aminy rehefa vita ny fianarany.
Anisan’ny nananganana ny Orange digital ny fanofanana maimaimpoana ny tanora malagasy. Tontolon’ny teknolojia vaovao, amin’ny fomba mahasarika sy moderina ary natokana ho an’ny tanora rehetra, hanamafy ny tetikasany no antom-pisiany.
Vonjy A.




