Ho fikojakojana ny lalana haharitra dia nidina ifotony teny amin’ny kaominina Ambatomirahavavy sy Ambohimandry ireo tomponandraikitra ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanentanana ireo tantsaha hiala amin’ny fampiasana kodiaran-tsarety vita amin’ny vy ny ekipan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana.
Resy lahatra sady navitrika izy ireo eo anatrehan’ny fihazakazahan’ny fampandrosoana sady hikojakojana ny lalana mampitohy an’ Alakamisy, Ambatomirahavavy, Ambohimandry.
Miisa 40 ireo nahazo fankasitrahana, fanampiana 50 000 Ariary, avy amin’Atoa sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gerard, tao amin’ny kaominina Ambatomirahavavy, fokontany Manarintsoa Ambohimasina sy fokontany Ivelo, kaominina Ambohimandry.
Andiany voalohany ny hetsika ary hitohy amin’ny kaominina ambanivohitra izay mbola ahitana saretin’omby mampiasa kodiarana vy. Anisan’ny hisitraka izany manaraka ny fokontany Ambohitranandriana sy Antsahabe, kaominina Ambatomirahahavy.
Tatiana A




