Holafitry ny infirmier : dimy ny kandidà nirotsaka amin’ny fifidianana

Hotontosaina ny alakamisy 30 novambra izao ny fifidiana izay ho mpikambana vaovao ao anatin’ny birao hitantana ny Holafitry ny infirmier mandritra ny telo taona manaraka, araka ny fanazavana azo. Nanomboka ny 1 novambra ka hatramin’ny rahampitso ny fampielezan-kevitra ataon’ ny kandidà tsirairay avy, izay marihina fa lehilahy avokoa. Lisitra no hofidina satria 19 ny mpikambana ao anatin’ny birao ary 52 ny birao fandatsaham-bato manerana an’i Mada­gasikara. Ireo infirmier rehetra voasoratra anarana ao anatin’ny Holafitra no afaka mifidy sy mandatsa-bato ary tombanana eo amin’ny 15 000 eo ny isany. Miantoka ny tandro hasina sy ny laminasa ny Holafitra ary miaro ny mpikambana raha misy olana mahakasika ny asa. Mampi­velatra ny mpikambana ao anatiny koa izy satria misahana fampiofanana maro hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny infirmier manerana ny Nosy. Rehefa ampy fiofanana ny infirmier, tsara ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omeny rehefa am-perinasa izy.
Amin’izao fotoana izao, betsaka ny olana sedrain’ny infirmier eny anivon’ny asa fa iray amin’ireny ny fitoriana ataon’ny olona nahatsiaro tsy nahazo fahafaham-po nandritra ny fandalovany teny amin’ ny hopitaly na ny tobim-pahasalamana.
Mampiodina ny asam-pitsaboana ny infirmier satria mitantana CSB irery izy ireo any ambanivohitra ary misahana ny ampahany betsaka eny amin’ny tobim-pahalamana.

Vonjy

Partager sur: