Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro

Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no tompon’ireo rongony ireo ka apetrany ao amin’iry bara iry izany. Rehefa misy mividy kosa vao maka ireo fonosan-drongony ireo io vehivavy io. Nambaran’ny mpitandro filaminana fa fantatr’ity tompona bara ity ny fisian’ireo rongony sy ilay mpivarotra. Tsy tao anefa ilay vehivavy tompon’izany tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitandro filaminana. Tsiahivina fa isan’ireo miteraka asan-jiolahy maro isan-karazany ny fidorohana zava-mahadomelina. Efa maro rahateo ireo mifonja noho ny fifohana ity zava-manimba ny vatan’olombelona ity.*

Henintsoa H.

Partager sur: