FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Vondron’ny kandidà 11, omaly, teny Ankoron­drano. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, tombanana ho ny momba ny fitsipahan’izy ireo ny voka-pifidianana sy ny tohin’ny tolona ny votoatin’ny fifanatrehana.

Nanatitra taratasy fitsipahana ny fifidianana teo iny, teny amin’ny HCC, ireo Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny foko (ARFM), omaly. Nanao diabe nankeny amin’ny masoivohon’i Frantsa koa izy ireo avy eo, ho tsy fanekena ny fanjanahana vaovao.

Hiakatra 35 tapitrisa Ar ny vola fanampiana ny kaominina raha 30 tapitrisa Ar isan-taona izany teo aloha. Nampitomboina ho 16 % izany ny tetibola ho an’ny eny ifotony amin’ny taona 2024, araka ny nambaran’ny minisitry ny Vola, teny Tsimbazaza, omaly.

Mety hiampy roa ka ho tafakatra 25 indray ny faritra 23 amin’izao fotoana izao, araka ny vinavinan’ny fanjakana. Tsy mbola nofaritan’ny minisitry ny Vola anefa izany faritra vaovao izany. Tombanana fa ani­san’ny hisitraka izany ny any atsimon’ny Nosy izay efa nitaky izany.

Partager sur: