AFT – Telo andro siantifika : misy ny fampisehoana mivantana ataon’ny mpianatra

Efa miroborobo any ivelany ny “intelligence artificielle” ary manomboka mahasarika ny tanora malagasy. Ahitana ny andinindininy momba izany eny amin’ny « Telo andro siantifika » izay natokana ho an’ny mpianatra ao amin’ny AFT Andavamamba.

“Ny siansa amin’ny andavanandrom-piainana”. Io no lo­hahevitra hitondrana ny “Telo andro siantifika” karakarain’ny Alliance française d’Antana­na­rivo sy ny ONG Accesmad ary ny Institut de recherche pour le développement (IRD) miaraka amin’ny Ivo science, mandritra ny hateloana, eny amin’ny AFT Andavamamba, izay nosantarina omaly. Na­tokana indrindra ho an’ny mpianatra ny hetsika ka mampiavaka azy ny fisian’ny tranoheva ahitana ireo fanandramana ara-tsiansa tontosaina any amin’ny laboratoara any an-dakilasy fa ataon’ny mpianatra ankalamanjana ho an’ny mpianatra mitovy aminy. « Ma­tetika any an-tsekoly, tsy manana ny fitaovana sy ny singa entina mampihatra ny lesona siantifika ny tomponandraikitra ka sarotra ny fampitana », hoy ny tale teknika ny ONG Accesmad, Ralaiharivo­nison Olivier. Ankoatra ny andrana, misy karoka tena nataon’ny mpianatra manokana tiany hozaraina amin’ny mpitsidika mandritra ny telo andro eny an-toerana.
Tanjon’ny ONG ny hampiroborobo ny fampianarana siantifika eny anivon’ny lycée ka nametrahana ny fandaharanasa Educmad. An-jatony ny lycée mpiara-miasa ary mihoatra ny 5000 ny antontan-kevitra niomerika azon’ny mpianatra sy ny mpampianatra kirakiraina eny anivon’ny médiathèque niomerika isaky ny lycée. 750 ny mpampianatra taranja siantifika niofana amin’ny fampivoarana ny fomba fampianarana ny taranja siatifika any an-tsekoly.
Ankoatra ny tranoheva, manomana famelabelaran-kevitra momba ny siansa sy ny fahasalamana, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanatanjahantena sy ny siansa… miaraka amin’ny mpikaroka maro ny AFT sy ny mpikarakara.

Vonjy A.

Partager sur: