Distrikan’Ankazoabo : hazavaina amin’ny mponina ny Caid

Tanterahina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano (Caid). Mialohan’ny hanatanterahana izany, misy ny fanentanana ara-tsosialy sy fifanakalozan-kevitry ny vondrom-piarahamonina eny ifotony.
Tanjona ny ialan’ny tahotra sy fiheveran-diso mahakasika ny Caid. Nitombo hatramin’ny 87% ny taham-paneken’ny tokantrano ny Caid nandritra ny herinandro fahatelo nanombohana raha 75% izany teny am-piandohana.
Mifanindry amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra sy ny fitehirizana azy ao an-tokantrano ny fotoana hanaovana ny hetsika.
Sady atao fitehirizam-bokatra no toerana fatoriana ny ankamaroan’ny tranon’olona any Ankazoabo. Miantoka ny kalitaon’ny famafazana ny ranom-panafody ny fanomanana mialoha ny trano hofafazana.
Anisan’izany ny famoahana ireo entana rehetra ho eny ivelan’ny trano, hatramin’ireo vokatra tehirizina mba tsy ho azon’ny ranom-panafody izay saro-pady.
Ho fampahafantarana misimisy kokoa momba ny asa ho atao mialoha, mandritra ary aorian’ny Caid, no hisian’ny dinika mialoha. Mandray anjara amin’izany ireo olobe toteny ao an-tanàna, PNLP, ny tetikasa PMI Evolve…

Tatiana A

Partager sur: