Antananarivo Renivohitra : mampiasa paompim-pokonolona ny 76,1%-n’ny mponina

Raha ny tatitry ny tetikasa Produir dia mirefy eo amin’ny 2 400 hatramin’ny 3 000 ha ny faritra sahirana eto Antanana­rivo Renivohitra. Mijaly rano ny ankamaroan’ireo mponina ao. Mampiasa paompim-pokonolona ny 76,1% amin’izy ireo. Mampiasa vovo na lavadrano kosa ny 15,4%. Ny 8% ihany no manana rano fisotro madio ao an-tokantranony.
Manaporofo izany fa mbola mitaky ezaka ny fampananana rano fisotro madio ny mponina an-tanàn-dehibe. Efa misy ny ezaka atao ahafahan’izy ireo misitraka izany.
Mahakasika ny fahadiovana, mbola vitsy ny manana lavapiringa manara-penitra sy ara-pahasalamana. 14,4% amin’ny mponina amin’ireo faritra sahirana no mandeha eny amin’ny kabone iombonana. Andoavam-bola ny fampiasana izany saingy natao hifanaraka amin’ny zakan’ny isan-tokantrano. Ny 57,4% amin’ny mponina kosa dia mampiasa lavapiringa itambarana. Vitsy anisa ireo tena manana ny toeram-pivoahany manokana, madio, ara-pahasalamana ary manara-penitra.
Antony mahatonga izany ny fahateren’ny toerana ka tsy misy hanorenana toeram-pivoahana intsony. Voatery mitambatambatra ny tokantrano manodidina ary ifarimbonana ny fanadiovana izany rehefa feno. Voafaritra ao anatin’ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ny fenitry ny fotodrafitrasa.

Tatiana A

Partager sur: