INDRAY MIJERY

57 000 ny isan’ny mpianatra eny anivon’ny lycée misitraka tombontsoa mivantana amin’ny antontan-kevitra siantifika novokarin’ny fandaharanasa Educmad, anatin’ny faritra 14 manerana ny Nosy. Tsapa fa manomboka mahasarika mpianatra ny taranja siantifika taorian’ny fampiharana ny fandaharanasa tao ana­tin’ny taona maro.
Miandrandra oram-baratra ny ankamaroan’ny faritra maro eto amin’ny Nosy manomboka anio, araka ny voalazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ahitana fiakarana indray ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo amin’izao. Raha ny mandrafitra ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro ho avy no jerena, vinavinaina hitohy hiakatra ho ambony izany tahan’ny fahalotoan’ny rivotra izany.
Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny mpampianatra teny Frantsay ny masoivoho Frantsay, Arnaud Guillois, tetsy amin’ny AFT Andava­mamba. Isan-taona, entina hanandratana ny asan’ireo mpampianatra izany taranja izany ny hetsika.
Nanatanteraka fihaonana ny fianakaviamben’ny mpiasa ao amin’ny faritra Anôsy tarihin’ny governora, Rakotovelomanantsoa Voahary. « Hiaraka isika hampandroso ny faritra Anôsy » no natao lohahevitra. Fo­toana nanamafisana firaisan-kina ary hisian’ny ainga vao indray eo amin’ny mpiara-miasa.

Partager sur: