Handray anjara amin’ny “Hellfest” ry Loharano. Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny mozika rock sy metal izany, satria sambany vao hisy tarika malagasy hiaka-tsehatra amin’ity festival lehibe indrindra ity. Hotontosaina any Frantsa, ny 27 hatramin’ny 30 jona 2024, ny andiany faha-17 amin’ity hetsika ity, ka hilahatra amin’ireo tarika malaza maneran-tany amin’ny metaly ry Loharano.
Tetikasa “Kanto Manabe”. Mitety sekoly maro samihafa eto Antananarivo Renivohitra, manatontosa ny tetikasa “Kanto Manabe” ny tomponandraikitra ao anatin’izany. Ny liseam-panjakana no tena mahazo tombony amin’ity. Fampianarana manao sary tanana sy ny tantarany no tena atao ao anatin’izany.
“Expo. Anthotype & Photogramme”. Mifarana amin’ity anio ity ny fampirantiana “Anthotype & Photogramme”, ao anatin’ny festival Sar’nao, andiany faha-14. Raha tsiahivina, rantin-tsary maneho ireo sary pika nampiasaina famaitso no naseho teny, nanomboka ny 8 novambra, ary sanganasan’ireo mpianatra niatrika ny atrikasa avokoa izany.
“Chrysalide Expo. Peinture”. Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 22 desambra 2023, eny amin’ny Is’Art Galery Ampasanimalo, ny fampirantiana “Chrysalide”, iarahana amin-dRazafimanantsoa Hanta Navalona, na i Sleeping Pop. Miisa 9 ireo hosodoka haranty eny an-toerana mandritra izany.